Sound water management for continuous production and food sufficiency
FR MG EN

Ny fanaovana canal de rétention d'eau na tatatra manaraka courbe de niveau sy ny fiantraikany @ loharano

Home › Solutions › Ny fanaovana canal de rétention d'eau na tatatra …
Ny fanaovana canal de rétention d'eau na tatatra manaraka courbe de niveau sy ny fiantraikany @ loharano
photo 1 photo 2 photo 3
Rainwater harvesting Water retention Soil & water conservation Water storage

Ny fanaovana canal de rétention d'eau na tatatra manaraka courbe de niveau sy ny fiantraikany @ loharano

  • Submitted by : ECOVILLAGE
  • Location : Antananarivo Avaradrano, Analamanga
  • Submitted
  • Practiced since : 2023
  • Beneficiary crops : legume, dobo trondro, vary
11 votes

Solution description

FITANTANANA NY RANO MAMPIASA COURBE DE NIVEAU HO FAMPITOMBOANA NY RANO AO AN-DOHARANO
Ny fanamboarna canal de retention manaraka courbes de niveau : Mpiaro ny loharano
Ny riaka avy eny an-tendrombohitra dia tarihina amin’ny alalan’ny canal de rétention toy ny tatatra,. Ity canal de rétention ity dia miasa toy ny fampitsihana ny rano makany ami’ny loharano.
Tsy ny fanakanana ny rano ihany no ataon’ireo tatatra, fa manampy amin’ny:
• Fampiorenana ny tany (stabilisation du sol): Miaro ny loharano amin’ny firodanan’ny tany.
• Fampihenana ny hafainganam-pandehan’ny rano Tsy mikoriana mafy sy haingana intsony ny rano, ka mahazo fotoana bebe kokoa hidirana ao anaty tany.
• Fiarovana ny faharetan’ny loharano Noho izany fiarovana izany dia afaka mitohy mivoaka ny loharano ary mihena ny mety hahamaina azy, indrindra mandritra ny vanim-potoana maina. Ny rano voatazona dia miditra lalina ao anaty tany ka manampy amin’ny lalan-drano anaty tany, izay mamatsy ny loharano.
Rehefa midina avy eny an-tendrombohitra ny rano, dia sakanan’ireo canal ireo isaky ny ambaratonga. Raha tokony hikoriana haingana midina any amin’ny lohasaha ny rano, dia tazonina tsikelikely eny amin’ny terrasses tsirairay.
Izany no ahafahan’ny rano:
• Mitahiry ao anaty tany;
• Mihena ny riaka;
• Misoroka ny fiotsahana;
• Ary manampy amin’ny fitazonana ny hamandoan’ny tany sy ny famatsian-drano ny loharano.