Bonne gestion de l'eau pour une production agricole continue et l'autosuffisance alimentaire
FR MG EN

BASSINS DE RÉTENTION D’EAU EN CASCADE HO AN’NY PISCICULTURE SY NY IRRIGATION

Accueil › Solutions › BASSINS DE RÉTENTION D’EAU EN CASCADE HO AN’N…
BASSINS DE RÉTENTION D’EAU EN CASCADE HO AN’NY PISCICULTURE SY NY IRRIGATION
photo 1 photo 2 photo 3 photo 4
Collecte eau de pluie Rétention d'eau

BASSINS DE RÉTENTION D’EAU EN CASCADE HO AN’NY PISCICULTURE SY NY IRRIGATION

  • Proposée par : ECOVILLAGE
  • Localisation : Antananarivo Avaradrano, Analamanga
  • Soumise le
  • Pratiqué depuis : 2024
  • Superficie : 0.08 ha
  • Cultures bénéficiaires : fambolena, dobo trondro
8 votes

Description de la solution

Dingana 1 – Fisafidianana ny toerana : Mitady toerana toy ny faritra ambany, na toerana mandalo rano amin’ny vanim-potoanan’ny orana.
Dingana 2 – Fanamboarana ny bassin voalohany : Ny bassin voalohany no mandray ny ampahany amin’ny rano.
Dingana 3 – Famindrana rano amin’ny bassin manaraka : Rehefa miakatra ny rano dia alefa amin’ny bassin manaraka. Tsy tokony hihoatra fotsiny ny digue ny rano.
Dingana 4 – Fitehirizana amin’ny bassins maromaro : Ny bassin tsirairay dia mitahiry ampahany amin’ny rano ary mampihena ny hafainganam-pandehan’ny rano.
Dingana 5 – Pisciculture : Raha mety ny kalitaon’ny rano sy ny halaliny dia azo ametrahana trondro ny bassin.
Dingana 6 – Irrigation : Azo ampitaina amin’ny canal, arakaraka ny toerana misy ny tanimbary na tanimboly.
Dingana 7 – Fifehezana rehefa be orana : Rehefa feno ny bassin dia tsy maintsy misy lalana azo antoka hivoahan’ny rano be loatra.
Dingana 8 – Fampiasana rehefa maina : Ampiasaina tsikelikely ny rano voatahiry araka ny filàn’ny voly sy ny drafitra napetraka.
Raha avela hikoriana haingana fotsiny ny rano dia very ny ampahany betsaka aminy. Ny tanjonay dia ny hitahiry ampahany amin’izany rano izany ao anaty bassins de rétention maromaro mifandimby. Io rano voatahiry io dia tsy hijanona fotsiny ao anaty bassin, fa azo ampiasaina amin’ny pisciculture sy amin’ny irrigation.